Voninahitra anie ho an’Andriamanitra (Bernardin)

(Bernardin)

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra e !
Any amin’ny avo indrindra e ia !
Fiadanana anie ho an’ny olombelona ô !
Ety ambonin’ny tany e ia !

Voninahitra ho Anao e !
Voninahitra e e ia !

Midera Anao izahay e ia !
Mankalaza Anao izahay e ia !
Mitsaoka Anao izahay e e !
Mihoby ny hasinao zahay e ia !

Ry Jesoa Kristy e ia !
Ianao no Zanaka Lahitokana e ia !
Ry Tompo Andriamanitra,
Zanak’Ondrin’Andriamanitra Ray e !

Mipetraka eo ankavanan-dRay e ia !
Ka mamindrà fo aminay e !
lanao irery no masina sy Tompo,
Ianao irery no ilay avo indrindra.

Tompo Andriamanitra,
Anao mpanjakan’ny lanitra e ia !
Andriamanitra Ray mahefa a a a !
Mahefa ny zava-drehetra e ia !

Manala ny fahotan’izao tontolo o ia !
Ka mamindrà fo aminay,
Manala ny fahotan’izao tontolo,
Ka raiso ny fifonanay e e e e ia !

Ry Jesoa Kristy e ia !
Ianao no mpanalalana anay,
Miaraka amin’ny Fanahy Masina,
Ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray. Amen !

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 240
Karine Dera p. 456
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2973