Voninahitra

(JaJoRa)

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra !
Any amin’ny Avo indrindra,
Ary fiadanana anie e e !
Ho an’ny ôlo, ety ambonin’ny tany,
Fa nanehoany ny hatsaram-pony, .

Midera Anao izahay -- ôià !
Mankalaza Anao izahay
Mitsaoka Anao izahay,
Mihoby ny hasinao izahay !
Misaotra Anao izahay !
Noho ny haben’ny voninahitrao. ! (in-2).

Ry Tompo Andriamanitra, ry Mpanjakan’ny Lanitra.
Ry Andriamanitra Ray, mahefa ny raha jiaby.
Ry Jesoa Kristy Tompo ô !
Ry Zanaka lahitokana, ôià !
Ry Tompo Andriamanitra,
Zanak’ondrin’Andriamanitra.
Ianao no Zanaky ny Ray !
Manala ny fahotan’izao tontolo izao Ianao.
Ka mamindrà fo aminay.

Manala ny fahotana Ianao, ka raiso ny fifonanay,
Eo ankavanan’ny Ray ianao, ka mamindrà fo aminay.
F’Ianao irery no Masina, Ianao irery no Tompo ôià !
Ianao irery no Avo indrindra,
Ry Tomponay Jesoa Kristy
Miaraka amin’ny Fanahy Masina !
Ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray. Amen ! ².

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 239
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.057