Voninahitra anie ho an'Andriamanitra

(Bema)

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra e ! (in-2)
Any an-tampon'ny lañitry añy e e !
Ary hiadana ny oloño eto an-tany
Fa nanehoany ny hatsaram-pony e ia !

Vahoaka : -- Voninahitra ho Anao e !
-- Voninahitra e e !

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra
Any amin'ny faran-tampony ambony indrindra
Fiadanana ho antsika eto an-tany
Fa nanehoany ny hatsaram-pony.

Voninahitra anie ho an'ny Ray nahary
Deraina sy ankalazaina ianao
Mihoby ny hasinao izahay
Itsaohanay fa be voninahitra.

Voninahitra anie ho an'ny Ray nahary
Ry Tompo mpanjakan'ny langitry
Ianao Andriamanitra Ray mahefa
Rainay mahefa ny zaka jiaby.

Voninahitra anie ho an'i Jesoa Tompo
Ry Jesoa Zanaka Lahy tokana
Ianao dia Tompo Zañahary
Ianao Zanak'ondrin'Andriamanitra.

Ry Zanak'ondry, Zanaky ny Ray,
Ianao no manala ny fahotana
Ny fahotan'izao tontolo izao
Ka mba amindrà fo aminay.

Ianao no manala ny fahotana
Ka mba raiso ny fifonanay
Mipetraka eo an-kavanan'izy Ray
Ka mba mamindrà fo aminay.

Ianao irery no Masina sy Tompo
Ianao irery no avo indrindra
Miaraka amin'ny Fanahy mpankahery
Ao amin'ny voninahitry ny Ray. Amen !

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 237
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0606