Voninahitra anie ho an’Andriamanitra (Bema)

(Bema)

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra e!
Añy an-tampon'ny lanitra any e e !
Ary hiadana ny oloño ety an-tany e e!
Fa nanehoany ny hatsarampony e ia !

Vahoaka : Voninahitra ho Anao e e!
Voninahitra e e!

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra e e!
Añy amin'ny faratampony ambony indrindra
Fiadanana ho antsika eto an-tany e !
Fa nanehoany ny hatsaram-pony.

Voninahitra anie ho an'ny Ray nahary
Deraina sy ankalazaina ianao
Mihoby ny hasinao izahay
Itsaohanay fa be voninahitra.

Voninahitra anie ho an'ny Ray nahary,
Ry Tompo mpanjakan'ny lañitry.
Ianao Andriamanitra Ray mahefa,
Rainay mahefa zaka jiaby.

Voninahitra anie ho an'i Jesoa Tompo,
Ry Jesoa Zanaka Lahy tokana,
Ianao dia Tompo Zañahary,
Ianao Zanak'ondrin'Andriamanitra.

Ry Zanak'ondry, Zanaky ny Ray,
Ianao no manala ny fahotana,
Ny fahotan'izao tontolo izao
Ka mba mamindra fo aminay.

Ianao no manala ny fahotana
Ka mba raiso ny fifonanay;
Mipetraka an-kavanan'Izy Ray
Ka mba mamindra fo aminay.

Ianao irery no masiñy sy Tompo,
Ianao irery no avo indrindra,
Miaraka amy Fanahy Masina Mpankahery
Ao amy voninahitry ny Ray.

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 236
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0541