Tao anaty haizina

Nampiditra: admin
Sokajy: Paka,


  • Antsao ny Tompo p. "210

Tao anaty haizim-pito ny tany,
Nahazo vonjy tamin’ny Tompo,
No nanehoany ny fitiavana,
Ho an’ny olombelona rehetra. (in-3).

Tafatsangana i Jesoa Tompo,
Tanteraka ny tenin’ny Soratra Masina
Resy ny herin’ny haizina,
Sy ny fahafatesana,
Ka faly mihoby Azy (in-3).

Hono ry Maria, lazao anay,
Izay hitanao tany am-pasana.
Ny fasan’i Kristy Velona,
No hitako, sy ny Voninahiny,
Tafatsangana ny Tompo, Aleloia !

Mifalia, miravoa ny tany,
Fa Velona ny Mpanavotra,
Aleloia o ià ! } in-4.

Nanetry tena, tonga olombelona,
Nihafy sy nijaly,
Maty ho antsika, nefa Velona,
Kristy Andriamanitra.

(Julien Rakotoarinosy)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0072 s.] - Hanohana anay