Iny lalana iny

Nampiditra: admin
Sokajy: Paka,


  • Antsao ny Tompo p. "209

(Joseph Justin)

Iny lalana iny anie ry Tompo no nizoranao,
Ilay lalana mafy sady sarotra no nofidinao,
Mba hamonjena anay taranak’olombelona,
Sy hamitranana ny fihavanana amin’ny Ray,
-- E ! mavesatra ny Hazofijaliana nentinao,
-- Novonoina Ianao ary natao tany am-pasana,
-- Mba hamonjena anay taranak’olombelona,
-- Sy hamitranana ny fihavanana amin’ny Ray, .

Ka indro tamin’ny andro fahatelo,
Dia nitsangan-ko velona ianao Jesoa Tompo,
Mba hanehoanao ny Herin’Andriamanitra,
Sy hanehoanao ny voninahiny.
-- Tamin’izay dia gaga sy talanjona ny olona.
-- Satria tsy tao am-pasana intsony i Jesoa Tompo.
-- Mba hanehoanao ny Herin’Andriamanitra,
-- Sy hanehoanao ny Voninahiny.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay