Indro ny mpanjakanao, ry Jerosalema

Indro ny mpanjakanao, ry Jerosalema ô,
Ilay Zanak'i Davida
Hôzàna!

1. Ry Jerosalema ô,
Voafidin'ny Tompo ianao,
Renivohitra ho an'ny vahoakany.

2. Ry Jerosalema ô,
Eny, tao aminao no nanjaka
Ireo nahazo fampanantenana.

3. Ry Jerosalema ô,
Afovoan'ny tany ianao
Sy fihaonan'ny foko rehetra.

4. Ry Jerosalema ô,
Ilay tanàna-na Tempoly ianao
Fiakaran'ireo mpivahiny.

5. Ry Jerosalema ô,
Notorahanao vato anefa
Ny mpaminany nirahin'ny Tompo.

6. Ry Jerosalema ô,
Nitomany i Jesoa noho ianao
Tsy nahalala ny hampiadana anao.

7. Ry Jerosalema ô,
Na izany aza tsy mba nivadika
Ny fitiavany anao nofidìny

8. Ry Jerosalema ô,
Indro tao aminao i Jesoa
No nijaly, nitasangana velona.

9. Ry Jerosalema ô,
Dia tanteraka tao aminao
Ny famonjena ny tany tontolo.

Nampiditra admin
Sokajy Paka
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1356