Nitsangana tokoa i Jesoa

Nampiditra: admin
Sokajy: Paka,


  • Antsao ny Tompo p. "206

(Omer

Nitsangana tokoa i Jesoa Tompo ô !
Velona ny Tompo ô ! -- Marina e !
Marina ny teny nolazainy a !
Velona ny Tompo ô ! -- Nitsangana e !
Nitsangana tokoa i Jesoa Tompo ô !
Velona ny Tompo ô ! -- Marina e !
Nitsangan-ko velona ho antsika a !
Velona ny Tompo ô ! -- Nitsangana e !
Nitsangana tokoa i Jesoa Tompo ô !
Velona ny Tompo ô ! -- Marina e !

Mpitarika: -- Velona marina i Jesoa Tompo !

Vahoaka :.

Tanteraka ny teny nomeny a ! --
Amen ! Aleloia ! Amen !
Resiny ny herin’ny fahafatesana,
Tamin'ny andro fahatelo a !
Hobio sy derao - Ilay velona.

Tanteraka ny teny nomeny a !
Izy no tena Fiainana,
Izy no hamelona antsika indray a !
Hobio sy derao - lIay velona.

Tanteraka ny teny nomeny a !
Nasehony ankarihary a !
Fa Izy no tompon'ny fanafahana.
Hobio sy derao Ilay velona.

Tanteraka ny teny nomeny a !
Mamelona ny fanantenana,
Izay efa nomeny antsika.
Hobio sy derao - iIay velona.

Setriny
Aleloia ! Aleloia !
Oia ie ! Oia iae ! Ia !


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay