‘Lay Mpandresy, Kristy Tompo

Nampiditra: admin
Sokajy: Paka,


  • Antsao ny Tompo p. "206

’Lay Mpandresy Kristy Tompo, teto an-tany
Dia lasa niakatra any an-danitr’any
Hanamboatra fitoeram-baovao
Paradisa valin’Asa soa natao
Aleloia (in-2), Aleloia (in-2).

Tamim-boninahitra tokoa indray,
Jesoa Tompo, no nasandratry ny Ray
Ho deraina an-danitra, mandrakizay
Ka hitsara antsika indray, rahatrizay
Aleloia (in-2), Aleloia (in-2).

Tompo ô! ny fanirianany izay,
Dia mba ho tonga eo anilanao
Mba taho lalandava izahay
Hiara-tsambatra Aminao, mandrakizay
Aleloia (in-2), Aleloia (in-2).

(Rajaovelo Jean)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay