Exultet, Ô ry alina

Ô, ô ry alina e !
Ô, ry alina tomaratra soa
Sady alina mitondra haravoana,
Ô, ry alina tsy manan-tsahala
Sady alina masina indrindra.
Ilay Pakan’ny Tompo nahary,
Ilay Pakan’i Jesoa Mpamonjy,
Ilay Pakan’ny fiainana an-tany (in-2).
Miravoa ry tany aman-danitra (in-2).

Tamin’iny alina iny ô ! ô !
Ilay Mpahary nampiposaka hazavana soa mamiratra
Andriamanitra namorona ny zava-manan’aina
Izy Ray namolavola ny taranak’olombelona
Mba hizaka ny voary manontolo
Sy hitondra izany feo
Hiderana an’Andriamanitra mahefa.

Tamin’iny alina iny ô ! ô !
Raha nanaiky i Abrahama fa hisorona ny zanany
Dia nanohana azy mafy ny anjelin’Andriamanitra
Ary ondry lahy matavy no napetrany ho solony
Nankato tanteraka izy sady nino, fa na maty aza
Isaaka, mahatsangana azy ho velona ny Ray.

Tamin’iny alina iny ô ! ô!
Dia ny zanak’Israely, sesitany tany Ejipta
No nandao ity firenena nitondrany fahoriana
‘Lay taranaka voafidy, ‘lay nijaly nandevozina
Fa mba hamonjen’Izy Ray antsika izao
Nandevozim-pahotana
Dia nomeny ho fanavotana ny Zanany.

Ô, ry ran’ny zanak’ondry ô! ô !
Raha naripaky ny anjely ireo matoan’ny Ejipta
Ka natentin’ny antolan’ny varavarany ianao
Dia voaaro sy voavonjy ny tarank’Israely.
‘Zahay kosa mendrika ho faty
Noho ny ota vitanay,
Dia i Kristy namonjy anay tamin’ny rany.

Ô, ry otan’i Adama ô! ô !
Nananjara lahy ianao tamin’ny heloka rehetra
Fa voaonitr’Ilay Zanak’Andriamanitra Mpanavotra
Dia ianao no nazahoan’ny rehetra ny Mpamonjy
Ka dia mody hafaliana ny alahelo
Sy diovina ny ota,
Koa nihaona izao ny lanitra sy ny tany.

Ô, ry rano niampitana ô! ô !
Eny nizara roa ianao, ary maina toy tanety
Mba hizoran’ny vahoaka izay navotanao fahiny
Notarihin’ilay rahona mazava manjopiaka
‘Zahay kosa tamin’ny ranon’ny Batemy no nandray ny
famonjena hahatonga anay ho zanak’Andriamanitra.

Ô, ianao ry alina iny ô ! ô !
Dia nahita ilay nijaly nofantsihina ianao
Ilay maty fa nandresy ka nitsangana ho velona
Eny sambatra ianao amin’ny alina rehetra a !
Ô, ry alina tsilovin-jiro izao
Mankalaza anao izahay noho ilay Kristy fahazavana.

Ô, ry alina andrasana ô! ô !
Eny ho avy toy mpangalatra i Kristy Jesoa
Amin’ilay mamatonalina tsy ampoizina hiverenany
Hanafoana ranomaso, fahoriana mbamin’ny haizina
Miaraka Aminy izahay ankehitriny mba higoka dieny izao
Ny hasambarana amin’ny Ray.

(Christian TOMBO)

Nampiditra admin
Sokajy Paka
Antsao ny Tompo p. 203
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229