Avia, Andriamanitra Andriananahary ô

Nampiditra: admin
Sokajy: Paka,


Mpitarika (M): Avia, Andriamanitra Andriananahary ô
Vahoaka (V): Avia, manatrika, avia manoloana

M: Ho toy ny emboka eo imasonao anie e
V: Izao vavaka ataonay izao e!

M: Ary ny tananay misandratra ho fanati-takariva
V: Ho anao Andriamanitray ô!

M: Ianareo firenena rehetra
V: Derao ny Tompo Andriamanitra

M: Ianareo vahoaka eran-tany, antsao ny Tompo Andriamanitra e!
V: Mahery tokoa ny fitiavany antsika, tsy lany ny fahamarinany e, 
     Tsy ho lany ny fahamarinany

M: Mankasitraka Anao izahay e!
V: Ry Andriamanitra Rainay ô!

M: Mankatelina Anao izahay e!
V: Ry Andriamanitra Zokinay ô!

M: Mankamamy ny asanao izahay e!
V: Ry Fanahy Andriamanitray ô!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay