Lay kintana mazava

(Athanas MAZAVA)

‘Lay Kintana mazava e !
Nitarika e, nitarika ireo Majy telo
Avy tantiñiana tañy e !

Ou ! Jesoa Tompo,
Isaoranay ‘lay Mpahary,
Nanome anay Anao Mpamonjy,
Mpanjakan'ny Mpanjaka.

Mahatalanjona ny fitiavanao anay, ry Ray
Fa indrindra ny tsy fivadihanao,
Tanterahinao ny Tenin'ireo mpaminany,
Manambara fa tapitra ny fahoriana e e !

Sitrakao ry Ray ny hampahafantatra ny famonjena
Amin'olona rehetra eran'ny vazan-tany,
Nantsoinao ireo mpanjaka avy lavitra,
Natoronao fa teraka ilay Mesia e e !

Sasa-poana ireo fahavalonay
Manenjika, mitady handripaka anay,
Satria ianao ry Ray, efa nanome ny famonjena,
Dia ‘lay Mesia, Kristy Tompo tianay e e !

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Antsao ny Tompo p. 198
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0575