Noely

(Joseph Justin)

Noely, Noely, Teraka anio ny Tompontsika,
Noely, Noely, tonga ilay nandrasantsika, .

Teraka anio ny Tompo, ao Betlehema,
Tananan’i Jôdà, teraka anio ny Mesia.

Mifalia ry vahoaka, vahoakan’Israely;
Tonga mpanavotra antsika, mifalia isika !

Ô ry mponin’ny Nosy : « teraka anio ny Mesia »
Izy no Emanoela, Andriamanitra eto amintsika.

Tapitra anio tokoa, ny andron’ny fampahoriana,
Fa tonga ny famonjena, olona afaka isika.

Araka ny efa voalazany, voalazan’ireo Mpaminany,
Ho avy ny Mesia, miravoa isika.

Hoy ny Anjely any an-tsaha,
Miantso amin’ny feo mahery manao hoe :
« Voninahitra anie ho an’Andriamanitra,
Any amin’ny Avo indrindra,
Ary fiadanana ho an’ny olona, ety ambonin’ny tany ».

Taloha dia tamin’ny alalan’ny vavan’ny Mpaminany
No nitenenan’Andriamanitra tamin’ny olona.
Fa ankehitriny kosa, dia amin’ny alalan’ny Zanany.

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Antsao ny Tompo p. 195
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087