Gloria

(Mathieu)

Ry mpiandry ondry mitsangana !
Atsaharo izao ny tahotra.
Fifaliana lehibe ho an’ny olombelona eran-tany;
Izany no vaovao ho lazaiko aminareo
Tanteraka ny fampanantenan’ny Ray.

Fa Mpamonjy teraka ho anareo
An-tananan’i Davida
Fa Jesoa zazakely no Mesia nambara fa hanavotra.
Izany no vaovao holazaiko aminareo
Tantera ka ny fampanantenan’ny Ray.

Ho famantarana ho anareo
Voahodidin-damban-jaza anie
Fa matory izy mietry tena eo amin’ny fihinanam-bilona.
Izany no vaovao ho lazaiko aminareo
Tanteraka ny fampanantenan’ny Ray.

ry Maria, reninay ianao,
Fa nanaiky hitondra vohoka
Hay ilay Zaza haterakao no Mesia, Zanak’Andriamanitra.
Izany no vaovao nentinao ho anay
Hosoavina nohon’ny vehivavy ianao.

Gloria, in exelcis Deo.
Gloria, Voninahitra sy dera ho an’ny Ray.

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Antsao ny Tompo p. 194
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089