Oa dadilahy e

(Didier BEAZARA)

Joroa dadilahy, joroa dadiko (in-4)
Joroa joroa zafinarô !
Baba, nindriko ô ! ô !

Zaza -- joroa zaho
-- joroa zaho
Mahery ankitiñy Zañahary e -- joroa, joroa zaho ô !
Momba antsika lalandava a, miaro antsika amin’ny ratsy.

Antsika oran’i Kristy ‘zay fototry ny famonjena antsika
Isika taranak’olombelona ndre taloha ndre izao
Ndre ny taloha sy mbola ho avy e !

E, joroanarô zaho.

Mpiventy : Joroa zaho ô, joroa zaho
Vahoaka : Joroa zaho ô, joroa zaho.

Ah, dadilahy e ! -- vahoaka
Oà dady e ia ! -- vahoaka
Baba nindry -- vahoaka
Antsika jiaby. -- vahoaka.

Mangataha ho ahy aminazy e !
Mba hanintsy hanaranara an !

Hanompo olo fa tsy hotompoina
Karaha ny nataon’i Kristy tamindrô mpianany e !

Ry Kristy ô ! ô ! -- tantano ny diany
Ry Fañahy --
Zañahary Baba -- herezo hatrany izy e !
Andriamanitra Ray -- herezo hatrany izy e !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 190
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0925