Litania

(Christian TOMBO

Tompo Andriamanitray ô ! avia atreho izahay
Mitalaho anie ‘zahay
Mamindra fo aminay.

Kristy Mpamonjy anay ô ! avia atreho izahay
Mitalaho anie ‘zahay
Mamindra fo aminay.

Ry Fanahy Tomponay ô ! avia atreho izahay
Mitalaho anie ‘zahay
Mamindra fo aminay.

Mpiventy : Ombao vavaka izahay e ! -- (in-3)
Vahoaka : Ombao vavaka izahay e !

Masina Maria ô ! -- vahoaka
Reny Masin’Andriamanitra ô ! -- vahoaka
Ry Md Misely -- vahoaka
Masina Gabriely ô ! -- vahoaka
Masina Rafaely ô ! -- vahoaka
‘Reo vahoaka.

Ry Md Jozefa ô! -- vahoaka
Ry Md Joany Batista ô ! -- vahoaka
Ry Md Andre ô ! -- vahoaka
Ry Md Piera ô ! -- vahoaka
Ry Md Paoly ô ! -- vahoaka
Ry Md Matio ô ! -- vahoaka
Ry Md Marka ô ! -- vahoaka
Ry Md Irené ô ! -- vahoaka
Ry Md Barnabe ô ! -- vahoaka
Ry Md Jakoba ô ! -- vahoaka
Ry Md Etiena ô ! -- vahoaka
Ry Md Vincent de Paul ô ! -- vahoaka
Ry Md Ferdinand ô ! -- vahoaka
Ry Mb Cécile ô ! -- vahoaka.

Mpiventy : Avia manatrika avia manoloana a !
Vahoaka : Avia manatrika avia manoloana a !

Ianareo mpampianatra masin’ny Tompo -- vahoaka
Ianareo Evanjelista sy Apôstoly -- vahoaka
Ianareo rehetra masin’ny masina -- vahoaka
Ianareo lasana efa nialoha lalana anay -- vahoaka
Ry Md Jacques Berthieu olon-tsambatra -- vahoaka
Rasoamanarivo olon-tsambatra -- vahoaka
Ianareo rehetra olomasin’ny Tompo -- vahoaka.

Mpiventy : Afaho izahay ry Tompo ô (in-2)
Vahoaka : Afaho izahay ry Tompo ô !

Afaho amin’ny ota mamatotra anay -- vahoaka
Ry fanandevozana ratsy rehetra -- vahoaka
Ry fahafatesana mandrakizay -- vahoaka
Noho ny Zanakao tonga nofo -- vahoaka
Noho Izy maty sy nitsangana -- vahoaka
Noho ny nidinan’ny Fanahy Masina -- vahoaka.

Mpiventy : Henoy vavaka izahay
Vahoaka : Henoy vavaka izahay.

Arovy sy tsimbino ny vahoakanao ô !
Ento hanatona ilay endrikao ô !

Ento hatrany ny vahoakanao ô !
Hiadam-pinaritra alofanao ô !
Arovy avokoa ny Eveka rehetra
Arovy avokoa ny Pretra rehetra
Arovy avokoa ny Diakra rehetra
Ireo havanay efa nody mandry e !
Omeo fialan-tsasatra mandrakizay e !
Omeo fahasambarana ao Aminao.

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Antsao ny Tompo p. 180
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0648