Hira Faneva - 2021 - faha-50 taonan'ny CEPAL - Ianareo no fanasina

IANAREO NO FANASINA

Refrain: Ianareo no fanasina
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao
Mirosoa amin’ny lalina
Aza matahotra fa arotsahy ny haratonareo.

1 – Ianao izay nanaiky hateraka indray e,
Tamy Rano sy Fanahin’Andriamanitra,
Mirotsaha hampamokatra zato heny,
Ny voa nafafy amin’ny sahan’ny Tompo.

Refrain (1fois)

2 - Torio maneran-tany i Kristy e e
Ampianaro ny olombelona hifankatia
Na mafy ny fitsapana, afafin’i Satàna
Aza matahotra fa mijoroa hatrany

Refrain (1fois)

3 - Ny finoana e e, fiombonana e, firotsahana
Izay no faneva iainantsika e e
Ny finoana e e, fiombonana e, firotsahana
Io no faneva iainantsika.

Refrain (1fois)+feon-kira

4 – Tahafo i Maria Renin’ny Mpamonjy,
Fa Izy no santatry ny olom-baovao,
Modely am’zany Rasoamanarivo,
Nanahaka azy koa i Botovasoa.

Refrain (in-2)

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086