Ny tanora miara-dia

(Auguste Roby)

Ny tanora miara-dia,
Mikatsaka ny fahendrena,
Mitondra fivoarana,
Andrin’ny firenena.

Mba tahio ry Andriamanitra ô !
Ny fiarahanay izao e !
Tianay e ny hiara-dia,
Aminao ka tsy ho very.

Isika rehetra izao,
Tokin’ny Fiangonana;
Hamasino re izahay,
Ry Jesô Zokinay.

Arovy re ny hoavinao,
Ry tanora namanay ô !
Avia re mba hiaraka aminay,
Hanambara ny famonjena.

Nampiditra admin
Sokajy Tanora
Antsao ny Tompo p. 177
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091