Mankalaza ny Tompo ny fo, fanahiko

(T. Julie Helmine)

Mankalaza ny Tompo ny fo, fanahiko,
Falifaly ao aminao Andriamanitra ô !
Notsinjovinao ny mpanomponao,
'Zay nahay nanaiky "Magnificat ".

Ny hafaliana no toe-panahy,
Manentana ny fon' i "Ancelle"
Notsinjovinao ny mpanomponao,
‘Zay nahay nanaiky "Magnificat".

Ny vavaka, ny fitiavana,
No anatanterahanay ny asanay
Notsinjovinao ny mpanomponao
‘Zay nahay nanaiky "Magnificat".

Ny fanomponao ny olombelona
Tamin'ny Misterin'ny Famangiana
Notsinjovinao nanaiky "Magnificat".
Fa lehibe tokoa ny Fitiavany.

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Antsao ny Tompo p. 175
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0606