Ancelle

(T. Julie Helmine)

Ancelle della visitazione,
Nipoitra tao Santa Marinella,
Mpitondra hafaliana ao amin'ny Fanahy,
Fa indrindra ireo tsisy mpiahy.

Miara-miaina sy miara-miasa,
Ho mariky ny firaisam-po;
Miezaka hatrany hanompo am-pinoana,
Ilay Fiangonan'ny Ray. (in-2).

Horaisinay sy iainanay,
Ireo torohevitry ny Evanjely,
Iezahanay isan'andro ny mba ho masina,
Amin'ny fiainanay tontolo. (in-2). -.

Ireo mijaly sy ireo ory,
Miandrandra, mitalaho ny famonjena
No anehoanay fitivan-dehibe
Entanin'ny fahasoavana. - (in-2). -.

Tantano ry Maria ny dianay
Hanara-dia an'i Jesoa Zanakao
Fa be ny fahavalo mitady hamery anay
Ry Ray รด ! Arovy izahay. - (in-2).

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Antsao ny Tompo p. 174
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089