Ndao ento miakatra ity Firenena ity

1. 'Ndao ento miakatra
Ity Firenena ity:
Mihitsoka sy tena kizo fara;
ny rariny sy ny hitsiny
natao am-paladia:
fitiavantena no andriamanjaka.

Valala voatango ireo zanaka mpandimby
tsy mety ho kivy miatrika ny hoaviny.
Somary mihidy vazana,
mitsemboka isan'andro
sao lasan'ireo namana malaso.

Ho anao, ry mpitolona,
ho anao, ry maitso volo,
izao no vavakay ho anao:

Tongava, ry Fanahy,
ry Fanahin'i Jesoa,
tongava fa mafy ady ireo mpitolona.
Ianao no maharesy
ireo fakampanahy,
tongava handrava ny fandrik'ilay Ratsy.

2. Tsy tahotra, tsy henatra
ireo sisi-bola
ivarotana, ividianana ny marina.
Izay tsy manao izany
melohina ho adala,
mpitsara tsy mahay manao afera.

Ny marina ikipio, ny vola no sariho,
ny vola anie zalahy, no maha rangahy e!
Tsy ny rehetra anefa no mahavita izany
fa misy ihany ny manam-panahy.

Ho anao, ry mpitsara,
tsy maty eritreritra
izao no vavakay ho anao:

Tongava, ry Fanahy,
ry Fanahin'i Jesoa,
tongava fa mafy ady ireo mpitsara.
Ianao no maharesy
ireo fakampanahy,
tongava handrava ny fandrik'ilay Ratsy.

3. Helohina atsy ananona
ny tariky ny anona
mitavana fananam-panjakana.
Lazaina fa hoe boka
izay tsy mampiasa otra:
mpiasa tsy mahay mararaotra.

Ho lany eo ihany ny paiso an-kady
ka mirotsaha ialahy, ry Lambosalama.
Tsy ny rehetra anefa no tsy maty manota
fa misy ihany manam-panahy.

Ry mpiasam-panjakana
mbola antra fo, fanahy
izao no vavakay ho anao:

Tongava, ry Fanahy,
ry Fanahin'i Jesoa,
tongava fa mafy ady ireo mpiasa.
Ianao no maharesy
ireo fakampanahy,
tongava handrava ny fandrik'ilay Ratsy.

4. Raha miditra hôpitaly,
dia tsolotra avy hatrany
no mitsena ireo marary any am-bavahady.
Izay tsy manao izany
lazaina te-ho deraina
mpitsabo efa voky, be karama.

Ny tody ikipio, ny vola no takio,
atody ve ka hiady amam-bato?
Tsy ny rehetra anefa no tsy mataho-tody
fa misy ihany ireo salama fanahy.

Ho anao, ry mpitsabo,
tsy maty kônsiansy,
izao no vavakay ho anao:

Tongava, ry Fanahy,
ry Fanahin'i Jesoa,
tongava fa mafy ady ireo mpitsabo
Ianao no maharesy
ireo fakampanahy,
tongava handrava ny fandrik'ilay Ratsy.

5. Ireo olom-boafidy
nasandratra ho mpitondra,
miavona ary koa manjaka.
Izay tsy manao izany
Afindra sy palàna
manimba politika fiaraha-miasa.

Fandoto iray tandroka, fandioiray siny;
mandoto rano izay sahy manova.
Fa misy ihany anefa ny mpitondra na miaramila
manohitra ny tsindrhazolena.

Ho anao, ry mpitondra,
manompo ny vahoaka,
izao no vavakay ho anao:

Tongava, ry Fanahy,
ry Fanahin'i Jesoa,
tongava fa mafy ady ireo mpitondra;
Ianao no maharesy
ireo fakampanahy,
tongava handrava ny fandrik'ilay Ratsy.

6. Tanora tsy hita isa
no indreo mivarilavo
manitsakitsa-kaja sy finoana.
Izay manan-tarigetra
tsy laitran-drendrarendra,
esoina miana-kendry sy efa "soara".

Impiry ho tanora no tsy mba hilalao:
"ny revy anie tsy ditra, ry leiry e!"
Tsy ny rehetra anefa no mivaralila
fa misy ihany no efa tonga saina.

Ho anao, ry tanora,
mikotrana ho tsara,
izao no vavakay ho anao:

Tongava, ry Fanahy,
ry Fanahin'i Jesoa,
tongava fa mafy ady ireo mpitolona;
Ianao no maharesy
ireo fakampanahy,
tongava handrava ny fandrik'ilay Ratsy.

Nampiditra admin
Sokajy Firenena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0697