Ianao Papa Paoly faha-enina

(Omer)

Ianao Papa Paoly faha-enina
Asandratray ho voninahitry ny Ray,
Satria ireo asan'i Kristy naelinao
No iainanay ao amin’ny Fiangonana.

Fampijoroana ny fiadanana,
Nambaranao, niainanao;
Fandriampahalemana eran-tany e !
No fandrosoana vaovao izao.

Nampihavaninao ireo Fiangonana,
Noraisinao, novangianao;
Izay mahavangy tian-kavana e !
Moa va tsy i Paoly ilay fahiny.

Navelanao ireo vakoka eran-tany
Hisandratra, hisondrotra;
Satria samy asan’Andriamanitra e !
Ka mendrika hanompoana azy Ray.

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Antsao ny Tompo p. 169
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.029