Fon’i Jesoa

(Mathieu)

Fo maratra no sisa tazana,
Fa voalefona Ilay toeran’ny Fitiavana;
Rà sy rano koa niloraka, niraraka,
Ankoatr’ireo ratran’ny kapoka.

-Tsilo ary fantsika.

Ry Fo masin’i Jesoa
-Vontom-pitiavana
Ny tenanao manontolo
-Nafoinao ho anay
« Fahafatesan-drenin-tantely,
Maty mamela mamy », Ianao ry Jesoa ô !
Fa resin’ny fitiavanao
-Ilay fahafatesana.

Fo voaloaka no sisa taratra;
Teo i Maria sy Joany nibanjina.
F’ io ilay Fo nangoraka, niantra
Nanasitrana rofy maro ary nampianatra
-- -Fo mitempo fitia.

Fo voasedra no sisa misokatra,
Fa mitondra ho antsika ny vonjy mahasoa;
Manampy antsika hanantena fiainam-bao,
Ka misaotra anao ‘zahay nohon’ny fitiavanao.
-- -Saotra dera ho anao.

Jesoa ô zoky tia -- - Fon’i Jesoa no masina
Herezo re ‘zahay -- - ……………………...
Ianao no taratray -- - ……………………...
Hifankatia ‘zahay -- - ……………………...

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 155
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093