Mila fivoarana

(Fr. Paulin T.)

Maro raha ilaña fañamboaraña
‘Reo sakaña maro tsy maintsy hihoaraña
Am’zay vao mety hangarangaraña
Ho talaky maso ny hasambaraña.

O ! Jesoa ô ! miandry Anao, mila Anao ny tany.
O ! Kristy ô ! fa mikorontaña ambony sy ambany.
Mifamono, mifampiandañy e !
F’ireo adidy tsy mety lany !
Fa mila fivoaraña ny tany
Dia hangina hatreo ‘reo mitomany
Mila fivoaraña, e ie atsaharo hatreo ny ady an-traño !

1 - Manan-dratañana zaho mangataka
Mitaraiñy tsy tapaka.
Miezaka miarina aho fa tsy afaka ;
Mihafatrafatra vava efa tataka .
Mikofoko mafy ny firenena
Fa toa mihamaro ‘reo mahonena,
Tsy manam-pitafy, mosarena
Very saiñy very fahendrena.

Ireñy hadalaña avy añy am-pita
No añambaraña hoe « tafita ».
F’ilay fahendrena maha Gasy atsika
Toa efa nalevina tsy hita.
Ny haino aman-jery mampita raha maro
Tsy misy sivana fa mifangaro;
Samia mitsikera, samia mahatsiaro
Fa maro dia maro ny raha mandalo.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 151
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088