Talahon’ny ory

(Mathieu)

Eny Tompo ô ! eny tia aho (in-4).
Tompo ô !
Omeo fo mino aho Tompo ô !
Reseo lahatra ny hevitro….
Ny fizahoako….
Mba ho mendrika anao ny fanompoako, Tompo ô.

Fa ny fahasoavanao Tompo ô ô ô !
No antenaiko hambomba ahy.
Hampahita hasambarana an an !
Ity fo toa feno ahiahy e e !
Eny e Tompo ô, tia aho (in-3).

Fiv :2 : Fa Tompo ô !
Maro loatra ny hadalana.
Mamatotra ity zanakao.
Ka aza ny otany no mba zahana.
Fa raha mino anao ihany izy Tompo ô !
Vonjeo, reseo lahatra (in-2).

Fa ny hafinaretan-dranofo ô ô ô !
No noezahiko niainana .
Nihevi-tena aho fa afa-miofo ô ô !
Soloy re ny foko hahay hiaina an !
Eny e Tompo ô ! tia aho (in-3).

Fa ny baikonao na ny anatrao ô ô ô !
Nanaovako raosy jamba.
Saika rendrika aho sendra mamba .
Fa soa ihany ianao tamy Tompo ô ô !
Eny e Tompo ô ! tia aho (in-3).

Minoa fotsiny ihany.

Dia ho voavonjy ianao zanako.

Minoa fotsiny ihany.

Dia ho voavonjy ianao o o o !

Nampiditra admin
Sokajy Fitsapana
Antsao ny Tompo p. 148
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101