Mpaka fanahy

(Mathieu)

Fiainanay isan’andro tadiaviny ho fongorana !
Olombelona mitafy nofo aman-drà izahay
Solafaka, areno re ! (feon’olon-tokana)
F’ianao anie ry Fanahy ô !
Manambìna hasoavana,
Tantano ny làlana
Izay hombanay isan’andro re, raha azo atao !

Tsy hodiako tsy ho re ny fiantsoanao ahy,
Hanabe sy hanasoa ny mpiray tanindrazana.
Maro mitady Anao, ampio re !
F’Ianao anie ry Fanahy ô !
Manambina hasoavana.
Fa raha sira hatsatso,
Hataonay ahoana indray hanamasina ?
Raha mety ampio.

Dada ô, ry neniko; zoky sy zandry tsy foiko
Omeo tsodrano ombam-bavaka ity
Sombinaina, handrosoany an-tsitrapo ! (feon’olon-tokana)
F’ianao anie ry Fanahy ô !
Manambina hasoavana,
Ho zary hafaliana anie indray andro any.

Ity fandaozana, omeo hery re !
Masina ianao, hombao miaina izahay;
Ivalozanay tanteraka ny otanay,
Ray ô !
Tapa-kevitra ny hisaraka tanteraka am’mpaka fanahy,
Mba ho mendrika anie izahay, hotiavinao Ray ô (in-2).

Nampiditra admin
Sokajy Fitsapana
Antsao ny Tompo p. 147
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0412