Mitoera ato amiko Tompo ô !

(Lili)

Oneninao ny foko ry Jesoa tia ô !
Hahaizako mitia bebe kokoa,
Sy hahafoizako izay rehetra ananako,
Mba ho fitsimbinako ny namako.

Ny sori-dalana efa nosoritanao,
Tiako arahina, hanitsy ny lalako.
Fifamatorana mafy no tadiaviko
Izay tandrinao, hiantsorohako : tsy ho laviko.

Fantatro fa tsy mora ny mikatsaka
Ny fahasoavana amam-piadanana.
Feno lavaka, mangitsokitsoka
Ny manodidina rehetra alehako.

Tohanonao Tompo ô !
Fa trotraky ny ady am-panahy
Ity zandrinao vonona ny ho : -- - Mpianatrao;
-- - Faty ho Anao.

Nampiditra admin
Sokajy Fitsapana
Antsao ny Tompo p. 146
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856