Fitsapana

(Mathieu)

Fa fahoriana iaretanay,
Feno hakiviana koa ny hatanorana ô !
Fijaliana, fisedrana !
Verezin-jo izahay indraindray Dada ô !
Mahonena !

Tsy vitsy zatovo maro :
Tsy lahy, tsy vavy miliba,
Mila tsy hahatraka any Aminao
Hadisoana ve tsy fahalalana...
Hadalana ve, mila hibabohana
Izao rehetra izao ry Dada ô ?
-Hibaboana !

Tsy vitsy diso fitia,
(Efa) nivarina an-kady;
Ny aina toa very hasina tanteraka,
Nefa indrisy fahendrena
Ny Razana latsaina,
Lazaina hoe lany andro
-Lany andro !

Nahoana tsy fitsikiana,
Tsy harena miavosa hafaliana
No hatosaka ho anay, Ray Masina ô ?
Nahoana izahay tanora no avela sendraina,
Oriory very hasambana ?
-Hasambarana !

F’ianao jambena, tsy mahatraka,
‘Reo fahasoavana, fitiava-masoandro ô !
Fitia tsy havidy, tsy hatakalo,
Maimaim-poana no itiavako anao
-Hivelomanao.

F’ianao nobabeko,
Nataoko an-tsangory
Nandalo dadasiky ny torapasika.

Nampiditra admin
Sokajy Fitsapana
Antsao ny Tompo p. 145
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009