Tafio Fitiavana

(Mathieu)

« O mitafia ny fitiavana,
Izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra » (Kol 3, 14)
Mitafia ny fitiavana.

Omeo ny Tompo ny fonao,
Omeo azy manontolo.
Reseo lahatra ny filàna
Mambabo nofo (in-2).

Omeo ny Tompo ny andronao;
Omeo azy manontolo.
Ekeo izay mihatra aminao,
Fa fitiavana no nisarihany….

Mitiava marina,
Tsy hanao an-kamerina.
Mitiava amin’ny fo, fa ny maso mamitaka;
« Ny saina ihany mandà, mandavo
Ny hevitra mamitaka... ».

Nampiditra admin
Sokajy Fitiavana
Antsao ny Tompo p. 142
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092