Tia antsika ny Tompo

(Romuald)

Tia antsika ny Tompo,
Ka indro nanolotra ny Didy tokana.
Ilay Didy tokana, maniraka antsika mba hifankatia,
Satria ny Finoana sy ny Fanantenana ary Fitiavana,
Dia teny telo tsy afa-misaraka ho antsika zanany.

Sarobidy ho antsika
Olombelona tokoa mantsy ny fitiavana,
F’izany ny fototra ka mahatonga ny olona hikambana,
Ny zavatra irina amin’ny tsirairay anie dia ny hihavana,
Mba hifankatia, ho zary vato ka tsy mba ho azo sarahina.

Tsy misy tanteraka raha mbola miaina
Eto ambonin’ny tany,
Ka aoka hifamela
Na koa hifandefitra hatrany hatrany,
F’izany no hahafantarana antsika fa mpianatr’i Jesoa.
Koa mifandraisa tanana hifampizara izany fiadanana;
Mifandraisa am-pitiavana, hifampizara fiadanana.
Mifandraisa am-pitiavana, hifampizara izany fiadanana.

Nampiditra admin
Sokajy Fitiavana
Antsao ny Tompo p. 142
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1132