Voninahitra ho anao Zanahary e e ia

Voninahitra ho anao Zagnahary e e ia
Any an-tampon'ny lanitra agny e e ia
Fiadanagna ho antsika olombelogno ô ia
Ety ambonin'ny tany ety 
Fa nanehoany (in-3) ny hatsaram-pony e ia

1. Voninahitra ho anao Zagnahary e ia
Derainay ny voninahitrao ô
Ankalazainay ny agnaranao ô ia
Ankasitrahanay Ianao ô
Isaoranay marigny Agnaranao ô ia
Hobinay ankitiny ny hasinao ô

2. Voninahitra ho anao Zagnahary e ia
Mpanjaka an-tampon'ny lanitry agny e
Fa lehibe loatra ny voninahitrao ô ia
Anao izy araiky fô no Tompo Zagnahary e
Be fahefagna amin'ny raha jiaby e ia
Anao no Zagnahary sady Babanay e

3. Ry Jesoa Tompo zokinay e ia
Talagn'ôlô tokan-dRagnahary e
Izay magnadôso ny fahotagna e ia
Ny fahotan'izao tontolo izao ô
Ianao zanak'ondrin-dRagnahary e ia
Raiso ny fifonanay e

4. Anao iry araiky fô masin'izy Tompo ô
Mipetraka an-kavanan-dRagnahary e
Ianao no mpanalalana any e ia
Miaraka amin'ny Fanahy Masina e
Agnaty voninahitry Zagnahary e ia
Zagnaharinay sady Babanay e

 

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0823