Tany an'efitra i Israely, noana ka nimonomonona

1. Tany an'efitra i Israely, noana ka nimonomonona
Nanakiana an'i Moizy sy ny Tompo Andriamanitra
Nalaim-panahy, dia indro lavo
Nalaim-panahy, dia indro lavo

Tany an'efitra i Jesoa, nifady hanina ka noana
Dia nasaina hanova vato, ho sakafo mahavoky
Nalaim-panahy fa nandresy
Nalaim-panahy fa nandresy
Nalaim-panahy fa nandresy
Nalaim-panahy fa nandresy

Natoky ny fitiavan'Andriamanitra Ray
manko Ianao, ry Jesoa!

2. Tany an'efitra i Israely, dia nitaky famantarana
Ny hahazoana ranovelona, hanalàna hetaheta!
Nalaim-panahy, dia indro lavo
Nalaim-panahy, dia indro lavo

Tany an'efitra i Jesoa, niangaviana fahagagana
Dia ny hianjera avy eny an-tampon'ny tempolin'i Israely.
Nalaim-panahy fa nandresy
Nalaim-panahy fa nandresy
Nalaim-panahy fa nandresy
Nalaim-panahy fa nandresy

Natoky ny fitiavan'Andriamanitra Ray
manko Ianao, ry Jesoa!

3. Tany an'efitra i Israely, nanaiky hitsaoka zanak'omby
Vita tamin'ny volamena, teo am-pototr'i Siania
Nalaim-panahy, dia indro lavo
Nalaim-panahy, dia indro lavo

Tany an'efitra i Jesoa, teny an-tendrombohitra avo
Notambazan'i Satàna, mba hiankohoka anatrehany.
Nalaim-panahy fa nandresy
Nalaim-panahy fa nandresy
Nalaim-panahy fa nandresy
Nalaim-panahy fa nandresy

Natoky ny fitiavan'Andriamanitra Ray
manko Ianao, ry Jesoa!

Nampiditra admin
Sokajy Karemy
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099