O ! Ry tanora zandriko
(Julien Rakotoarinosy)
O ! ry tanora zandriko
Miantso anao 'ty zokinao
Ahafoy tena, hanetry tena 
Hitory ny Teniko amin'ny oloko.
Anareo 'zay notiaviko
Hitondra hazavana
Amin'ny voaary manontolo
 -- Hamafy ny tenim-pahasoavana
 -- Hitondra fiadanana eran-tany.
O ! ry tanora zandriko
Mahatoky anareo 'ty zoky
Haharitra amin'ny finoana
Handray anjara amin'ny Soroko.

