Indro irahiko ianareo

Nampiditra: admin
Sokajy: Fanirahana,


  • Antsao ny Tompo p. "116

(Romuald)

Indro irahiko ianareo hitondra ny hafatra,
Hanitatra ny Fanjakan’Adriamanitra,
Fa Izy no niantso sy nifidy anareo
(Ka ataovy tonga mpianatro
Ny olon-drehetra). (in-2)

1. Ny Ray ‘zay mikarakara sy miahy e,
Ny handao azy aloha dia maro ny tsy sahy à !
Ny Reny no teraka sy nitahiry e ! e !
Efa maro ny namoy ka tena maniry e !

‘Reo Zoky sy zandry, ary koa ny hava-tiana,
Tsy maintsy ilaozana, nefa tsy ariana,
Ialao sy ilaozy avokoa izy ireo à àn ! ( in-2)

2. ‘Reo ondry tsy misy Mpiandry rehetra,
Tsinjovy f’izany tokoa no tarigetra,
‘Reo misintaka manalavitra ny Ray e e !
Na ihany koa ‘reo tsy mbola mahay à à !

‘Reo vahoaka mania ka mila ho very,
Sao mitatra loatra, tsy janga ny fery,
Tandrovy tsara sy karakarao an ! an ! ( in-2)

3. Tena asa ny anao fa tsy kilalao, ô ô
Itsikio ireo enjika mahazo anao an ! an !
‘Lay nifidy anao tao anatin’ny maro ô !
Dia mitia anao tsy mba misy fangaro ô !

Koa misaora azy isika ary dia mifalia,
Fa vahoaka natsangana ka mihobia,
Hirao sy iravoy re izany e ! e ! ( in-2)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0073 s.] - Hanohana anay