Maty tokoa, ilay Tompon'ny Aina

Maty tokoa, ilay Tompon'ny Aina
Ka indro naterina am-pasana vao
Ny nofon'ny tany, matoa amin'ny amin'ny maty
Ny nofon'ny tany, matoa amin'ny amin'ny maty.

1. Ny andro voalohany, andro alahady
Hatairana moa izany ny an-dry Maria!
Nahita fa foana ny fasan'ny Tompo!

Ho foana ihany koa ve ny fanantenany?
"Nankaiza ny Tompo, ilay Tompon'ny Aina"?
He! ketraka anaty izy, lany fanahy!

2. Mahalany fanahy ve ny fasana foana?
Izao no feo nanaitra, namoha ny tsiahy:
"Nahoana no fasana, toeran'ny maty?

No ikarohana ny Tompon'ny Aina?
Ahirato ny maso, jereo ny Hazavana!
Miposaka avy eto amin'ny rangolahy?"

3. Eny, velona Ianao ô, ry Tompo Mpandresy,
Ka Fanantenana no ambaran'ny fasana!
Fahavelomana mandrakizay, 
Fahavelomana mandrakizay, eny e!

Hanako eran-danitra, hanako eran-tany!
Ny hiaka, ny hoby atolotray Anao,
Ô, ry Tompon'ny Aina, Aleloia!
Ô, ry Tompon'ny Aina, Aleloia!

Nampiditra admin
Sokajy Paka
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.068