Fiainana mandrakizay

(Mathieu)

Andriamanitra Ray be fitiavana
Nirahinao i Jesoa Ilay Tokanao
Mba hampahalala anay olombelona
Ny amin’ny fiainana mandrakizay.

Fa ny fiainana mandrakizay,
Rehefa mahalala Anao izahay
Fa Ianao ‘lay Ray « Abanay » (Jn 17, 3)
Ary i Jesoa nirahinao ô ô ô !

Tia loatra an’izao tontolo izao Ianao
Ka foinao halatsa-drà Ilay Zanakao
Fantatray fa mafy anie mamoy Anaka,
Fa izay no natao, hahavonjy anay.

Izay manorim-pinoana ao Aminao
Tsy hahita fahaverezana Ray masina ô
Fa ilay fiainana ivononanay mba hiainana,
Izay no ataonao ho toky hianteheranay.

Tamin’ny fitoriana momba Anao
Ray mpangoraka ary saropiaro
« Fatra-piandry sy mitady ondry very anie aho
Tsy mba manameloka ny diso koa ».

Fa mifaly, miravo, velon-tsiky Ianao
Manao fanasana hiara-paly aminao
« Ndao hilanona, f’hitako Ilay nandrasako
Maty izy fa velona indray izao... ».

Fiainana mandrakizay dia toy izao :
Rehefa mahalala Anao ho Rainay
Ary koa, Jesoa Kristy ilay nirahinao
Izy no hany afa-manambara Anao
« Iray ihany Izaho sy ilay Raiko »
Izao no sitrak’Izy Ray naniraka Ahy
Mba hanana ny fiainana mandrakizay
Izay rehetra mahita ka mihaino Ahy
« Hatsangana ho velona amin’ny ora farany » .

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 89
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2799