VAVAKA HO AN’NY FAHA-155 TAONA - EKAR Anjely Mpiambina Anosivavaka (2026)

Ry Andriamanitra Rainay be fitiavana ô !
Midera sy misaotra Anao izahay,
tamin'ny fitsimbinanao
ka nahatraran'ny Fiangonana eto aminay ny faha-155 taona.
Ankasitrahanay Anao ihany koa
ny fanomezanao ny Anjely Mpiambina,
izay sady mpiaro no mpitarika anay
amin'ny lala-marin'ny finoana. 
Mino sy manantena izahay
fa hanome izay fahasoavana ilainay Ianao:
hifikiranay amin'ny finoana hatrany,
hampitombo ny fahamasinana.
Ka sady ho kristianina mavitrika izahay,
mandray andraikitra sy mahafoy tena,
ho iraka mpitondra fiainana sy hafaliana,
ho Evanjely velona
eo amin'ny sehatra ikatrohanay.
Izany rehetra izany,
dia ampian'ilay Reny, dia i Masina Maria,
mahalalala ny mahasoa ny zanany.

Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay,
izay Andriamanitra velona sy manjaka,
miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina,
amin’ny taona rehetra mandrakizay
no angatahanay izany.
Amen.
Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0437