Izaho no lalana (Omer)

Izaho no Lalana
Sy Fahamarinana
Ary Fiainana.

  1. Eny Tompo ô ! Ianao no nitantana ahy;
    Ny sandrinao, ny tananao
    No nitrotro sy nivimbina;
             Fa hoy ny hafatrao :
  2. Eny Tompo ô ! Ianao no nampahiratra ahy;
    Fanahinao, Herinao :
    Nanazava ny androm-piainako;
             Fa hoy ny hafatrao :
  3. Eny Tompo ô ! Ianao no namelona ahy;
    Ny Teninao, ny Tenanao
    No sakafon'ny fiainako;
             Fa hoy ny hafatrao :
  4. Eny Tompo ô ! Ianao no mbola ijoroako;
    Ny famindram-ponao, ny fangorahanao
    No namela ny hadisoako;
             Fa hoy ny hafatrao :
  5. Eny Tompo ô ! Ianao no mba nokatsahiko;
    Tsikinao, bitsikao :
    Naharesy ny hakiviako;
             Fa hoy ny hafatrao :
  6. - Eny Tompo ô ! Ianao ô, fitiavako;
    Ireo mahantra, ireo madinika
    No natolotrao ho anjarako;
             Fa hoy ny hafatrao :
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 86
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1169