Hoy ny antsonao

1 - Hoy ny antsonao indray takariva izay :
- "JESOA - JESOA"
Hoy ny feonao malemy, malefadefaka ao am-poko :
                « Aza avela tsy hiaraka aminao Aho,
                Aza avela hisy sampana ny lalana,
                Ny faniriako dia ny famalianao
                Izany Fitiavako efa natokako ho anao ».
Ataoko ahoana moa no famaly ny teninao,
O RY JESOA O !
Ao aminao ry Jesoa ô ! - Ilay Hery hitiavako Anao;
Tsy iza tsy akory ity fa izaho, izaho ihany,
Ka tanteraho Tompo ô ! izay mba sitrakao ho ahy.
                O Jesoa ! O Jesoa ! Fitiavako ianao ô ! Jesoa ô.

2 - Hoy ny hafatrafatrao taminay izay maminao
- "JESOA - JESOA"
Hoy ny fitiavanao taminay malalanao :
                « Mifankatiava ! Mifankatiava ianareo !
                Mifanasoava fa izany no mpianatro,
                Ny faniriako dia ny hampanjakanareo
                Izany didiko mba hahafaka anareo ! ».
Atao ahoana moa ny famaly ny teninao ô !
O RY JESOA O !
Ao aminao ry Jesoa ô ! - Ilay aina hahasambatra anay;
Tsy iza tsy akory ireto f’ireo zandrinao ihany,
Zandrinao mitady Anao, ka ampio Razoky ô !
                O Jesoa ! O Jesoa ! Fitiavako Anao ô ! Jesoa ô !

3 - Hoy ny toky nomenao, ny tokim-pitiavana
- "JESOA - JESOA"
  Hoy ny feom-panantenana tsy manodoka ao aminao :
                « Homeko hery, homeko hery ianareo,
                Dia ny Fanahy mpandavorary anareo;
                Ny faniriako dia ny hanekenareo
                Izany Hery lehibe Mpanolo-tsaina, Mpanazava ».
Atao ahoana moa no famaly ny teninao !
O ! RY JESOA O !
Midera Anao ry Jesoa ô ! Satria Ianao no Herinay;
Matoky, tena matoky ilay Fahazavana nentinao
Ho anay zandrinao rehetra ka derainay ny Anaranao;
O Jesoa ! O Jesoa ! Fitiavako Anao ô ! Jesoa ô !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 85
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086