Andriamanitra Tomponay

Andriamanitra Tomponay Zañahary namonjy anay
Ianao no aronay, hery sy tanjakay.

1.    Tsy hatahotra izahay,
Na hikoro aza ny tany;
Na ho safotra ranomasina
Ny tanety amboambo.

2.    Andriamanitra añivonay,
Tsy azo hozongozonina,
Raha hamely ny fahavalonay,
Izy tamy Izy hamonjy anay.

3.    Na mandroatra ny ranomasina,
Mampihorohoro ny tany,
Noho ny fisafoahany
Tsy hatahotra izahay.

4.    Mitabataba ny firenena,
Mikotraña ka ny fanjakana,
Moa tsy hatahotra avy hatrany,
Raha sakanan’Andriamanitra.

5.    Nandresy ny fahafatesana,
Ny Tompo Mpamonjy antsika,
Tsy hisy atahorantsika,
Ary tsy ho faty akory isika.

 

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 82
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088