Ô irak’Andriamanitra

Ô irak’Andriamanitra ianao,
Sakafo mahavelona tokoa ireny teny napetrakao.
Ô irak’Andriamanitra ianao,
Sakafo mahavonjy tokoa,
Sahaza besinimaro ny fiainanao Jesoa.

1.    Mitsangàna ianareo fa tonga ny fotoana,
Ndeha hiara-dia an-dafin-dranomasina,
Any re no misy havana olom-baovao,
Mbola lavitra Izy Raiko Andriamanitra.

2.    Mandrosoa ianareo fa tonga ny fotoana,
Mba handray anjara ity vahoaka marobe,
Te-ho sitrana tanteraka, ialàn’ny ratsy,
Tonga hanompo Izy Raiko Andriamanitra.

3.    Miakara ianareo fa tonga ny fotoana,
Ndeha isika hiaraka any an-tendrombohitra,
Dia velomy ny finoana, atanjaho ny fanahy,
Hifanatrika amy Raiko Andriamanitra.

4.    Mipetraha ianareo fa tonga ny fotoana,
Mba hitoetra ao an-tranon’Andriamanitra,
Vao hizara mofon’Aina, famantaram-pahendrena.
Hampihavana amy Raiko Andriamanitra.

 

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 81
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121