Vahoaka voafidy mba ho sakaizan’Andriamanitra

1.    Vahoaka voafidy mba ho sakaizan’Andriamanitra,
Tsarovy ny fanekem-pihavanana tamin’i Môizy.
Fanekena natao ho an’izay mino,
Ao amin’ny Tompo.

2.    Vahoaka voafidy, mba ho sakaizan’Andriamanitra,
Tsarovy ny filazan’i Joany Baptista,
Ho tonga Andriamanitra,
Amboary ny lalana, ovao ny fonao.

3.    Vahoakan’Andriamanitra onenan’ny Teny tonga Nofo,
Vahoakan’Andriamanitra voavonjy
Tamin’ny Ran’i Kristy,
Vahoaka vita Batemy, Eglizin’ny Tompo,
Midera Anao izahay.

4.    Vahoaka voafidy, mba ho sakaizan’Andriamanitra,
Tsarovy i Kristy sy ny Evanjely,
Mitoera amiko, miaina amin’ny fitiavako,
Hoy ny Tompo.

5.    Vahoaka voafidy, mba ho sakaizan’Andriamanitra,
Tsarovy ny dia, fanantenana,
Ho any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra,
Izay tsy ho hisy tahotra intsony.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 81
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0671