Anao ry Tompo ny lanitra

Anao ry Tompo Anao ny lanitra,
Anao ry Tompo Anao ny tany.
Anao tokoa ny olombelona,
Izao rehetra izay manana aina.

  1. Asan-tananao ny habakabaka
    Sy ny hazavana ambonin'ny tany,
    Ho an'ny andro na ny alin'izay,
    'Zay nomena anay, ry Tompo ô.
  2. Harin-tananao ny masoandro
    Sy ny volana, ny kintana,
    Mahatalanjona ny asanao,
    Zava-bitanao ry Tompo ô.
  3. Ka ny biby isan-karazany,
    Ranomasim-be, asan-tananao,
    Ao ny zava-maniry eran'ny saha,
    Dia nomenao anay, ry Tompo ô !
  4. Dia isaorana Ianao ry Ray,
    Fa nanao soa ho anay,
    Koa midera Anao izahay,
    Amin'ny taona mandrakizay.
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 77
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089