Antsao ny Tompo
Antsao ny Tompo, derao mandrakizay
Hirao izy, Aleloia ! (in-2).
- Derao ny Tompo, Aleloia,
Fa tsara sy mahitsy ny asan-tanany.
Mandrakizay endre ny fahefan'i Yaveh,
Aleloia ! Aleloia !
- Nandresy Izy Tompo, Aleloia !
Fa tafatsangana mandrakizay doria.
Ary ianareo vahoaka mitsangana koa,
Hiravo ilay Mahefa, Aleloia !
- Ry mponina rehetra, mifalia;
Fa tonga 'lay Mesia naterak'i Maria (Noely)
Tondray fanatitra any an-tranon'i Yaveh,
Noely, Noely, Aleloia !
- Misaora ny Tompo, Aleloia !
Fa marobe ny soa nomeny antsika.
Ny fitiavana no sarobidy indrindra,
Araho Izy, Aleloia !