Izay efa reñinay

Izay efa reñinay dia ny tenin’ny fiainanay,
Efa hitan’ny masonay e, ka ivelomanay e.

  1. Izahay no vavolombelona manambara,
    Nasehony tamin’ny fiainanay,
    Ny Fitiavan’ny Ray sy ny Zanaka,
    Nihavana tao amin’ny Fanahy,
    Izahay no vavolombelona.
  2. Izahay no vavolombelona manambara,
    Andriamanitra tokana ihany,
    Nanazava ny olon-drehetra,
    Mampivondrona antsika hifankatia,
    Izahay no vavolombelona.
  3. Izahay no vavolombelona manambara,
    Raha miaiky fa meloka isika,
    Ny Tompo izay Tsara sy Marina,
    Manavotra antsika amin’ny fahotana,
    Izahay no vavolombelona.
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 74
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009