Izay tsy manohitra momba antsika
Izay tsy manohitra antsika,
momba antsika e ià ! (in-2).
- Nisy olo araiky nandroaka demony
Tamin’ny anaranao, ry Mpampianatra ô !
Nanakaña azy izahay, satria izy tsy namantsika. E ia oià !
- Izay mampiasa ny añarako hañano fahagagana,
Hoy ny Tompo, tsy afaka izy,
Hañaratsy Añaranakahy avy hatrany e ià oià !
- Ndre rano tapaka vera amian’ôlo
Higiahinarô amin’ny anarako,
Lazaiko aminarô fa tsy ho very ny valisoany e ia ô ià !
- Ny zaka tsara ataon’ôlo dia :
Vokatr’ilay Fañahy, Fañahy Masiñy
Dia ilay Fañahy mampiaiky fa Kristy Jesoa
No Tompo ô ià ! oia !
- Samby ôlo amin’ny anjara fahasoavana
Tandrify azy avy amin’ny Tompo !
Fañahy Masiñy araiky
Mizarazara azy ireñy e ià, ô ià.