Fiangonana ô

  1. Trano iray mijoalajoala fotsy
    (Raha tazanin-davitra izy toa nosy) (in-2)
    Mijoro manaka-danitra
    Vory maro ao ny ambany lanitra
    Fa misy inona e ! no dia vory be dia be ?
    Ndao e, ndao koa mba handeha.
     
  2. Vahoaka sesehena injao mitrena
    (Manandram-peo miara-mitoreo) (in-2)
    Mandon-tratra, miondrika miatra
    Midera lay Zanaky ny Ray
    Hay moa tranony ao f’izaho no tsy mahay
    Efa taona maro lasa izay.
     
  3. Fiangonana ô, Fiangonana ô !
    Sambatra re ianao ô !
    Aminao lay avo indrindra
    Mitoetra tsy mifindra,
    Raha mba toa Anao izao tontolo izao
    Angamba tsisy ho very na hamindra samirery.
     
  4. Fiangonana ô ! Ianao no Reninay
    (Raiso fa zanakao zahay) (in-2)
    Ianao Jesoa ô ! no tetezana
    Hanala anay tsy hianjera anaty tevana
    Raha kamokamo, ento ka tantano
    F’ianao no mpiahy ny nofo sy Fanahy.
     
  5. Eo Ianao ry Masina Maria ô !
    (Ianao no Andry hitantana ny dia) (in-2)
    Na ho oram-be no hivatravatra
    Ianao no antoka amin’izay mihatra
    Reo tsy mahalala ento mody am-bala
    Ho solika hitondra ny fanala.
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 65
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104