Midina Anao Fanahy, midina ô !
Handrehitra ao am-ponay, ny Fitiavanao.
Fanahy Masina ô, midina ô !
Aza misalasala, mba hanamasina.
Nanosotra hitory Vaovao Mahafaly,
Hanafaka anay anaty haizina;
Hankahery ireo ‘zay torotoro fo,
Hanasitrana an’ireo marary. (Iz. 61, 1; Lk 4, 18)
Ataovy ao anatinay ny Fanahinao,
Hamelomanao ny fiainanay,
Hahatonga anay ho vahoakanao,
Ary Ianao ho Andriamanitray.
Izay mivavaka aminao ry Ray ô !
Dia amin’ny Fanahy – Fahamarinana,
Ireo izay mahalala Anao
No itoeran’ny Fitiavanao. (1 Jn 14, 16).
Misaotra Anao izahay Andriamanitra ô !
Fa nomenao ny Fanahinao,
Nanamasina ny fanahinay.
Mba hahatonga anay ho zanakao.