Avia midina Fanahy Masina ô, avia midina mba hanamasina

Avia midina Fanahy Masina ô ! Avia !
Avia midina mba hanamasina, midina !

  1. Ry Fanahy fitiavana ô mba midina
    Mitoera aminay re mba ho samy tia
    Avia midina mba hampifankatia 
     (Avia midina)², avia midina
    E avia midina ô, avia midina.
  2. Ry Fanahy fahazavana tongava
    Hanilo ary koa mba tonga hanazava
    Koa avia midina mba hanamasina anay ô !
    -Avia midina...
             Ry Fanahy Masina ô ! ...Avia !
             Fanahy Mpanamasina ô ! ... Midina !
             Ry Fanahy Mahery ô ! ...Avia !
             Fanahy Mpankahery ô ! ... Midina !
                             Feon-kira.
  3. Ry Fanahy mpanolo-tsaina, midina !
    Ny fahalalana Anao anie irina
    Avia midina mba hampianatra anay ô ! Avia !
     (Avia midina)², avia midina;
    E avia midina, avia midina.
  4. Ry Fanahy mpankahery mba avia,
    Fa lavitra sy mideza re ny dia;
    Avia midina hanome hery anay ô ! Avia !

Ry Fanahy Mazava ô ! ...Avia !
Fanahy Mpanazava ô !... Midina !
Ry Fanahy hendry ô !...    Avia !
Ry Fanahy Fahendrena ô ! ... Midina !

Nampiditra admin
Sokajy Fanahy Masina
Vavaka sy Hira p. 61
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096