Fanahy Masina (Mathieu)

Fanahy Masina ô avia
Midina amin-kery
Ny fahasoavanao
Hanenika ny fiainanay
Fanahy masina ô !
Avia hamelombelona
Ny fanomezanao
Hampiaina ny finoanay.

(Solo) -Hanaisotra anay amin’ny fahosana ô !
-Hanaisotra anay amin’ny fankahalana e !
-Hanaisotra anay amin’ny tsy fahalalana ô !
-Omeo hery hiankina Aminao Fanahy ô !

1- Ry Fahendrena ô, Fanahy fitiavana
Ry Fifidianana ô, Fanahy mpankahery.

2- Ry Fahalalana ô, Fahazavan’ny saina ô !
Fitiavam-bavaka ô, Fahatahoran-Jañahary.

3- Ry Faherezana ô, Fanahy mpiahy anay
Mpanala tahotra ô, avia herezo izahay.

Nampiditra admin
Sokajy Fanahy Masina
Antsao ny Tompo p. 61
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091